FACEBOOK IO? (Dayaz)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Facebook io ry zama
Dia toerana fahitana
Ireo tapaka sy namana
Ary koa ireo havana
Izay lavitra tsy tazana

Facebook io ry neny
No mba ahavitana mijery
Ireo tsy hita, sy very
Sy hanalana jerijery
Raha ianao tokana irery.

Facebook io ranamana
Faneoana fitiavana,
hafaliana, akiviana.
Raha toa ka mahaliana,
Ilay “Tiako” no tsindrina

Nefa facebook io ry Dada
Betsaka zavatra tsy mazava
Sy ireo olona basivava
Manararaotra tsy hita tava
Dia manapotika, mandrava.

Facebook io razandry
Maro resaka mampandry,
Ka aoka hitandrina ry bandy
Amin’ireo propagandy
Feno lainga sy vandy

Facebook io razoky
Feno ireo mpisoloky
Koa aza mora matoky
Fa ambadika sary mitsiky
Tsy voatery zavatra “komiky”.

Facebook io ry zareo no taratrin’ny fiainana
misy kozy tena matotra, misy koa sangisangy
misy kozy tena marina, misy koa vandivandy
Ka Anjaranao ny manavaka, anjaranao ny mitavana

Dayaz
--------
Rohy:
1901 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Dayaz
Nampiditra : Dayaz
Daty : 05/10/2013 10:18
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0139