RAHA IRAY NO VERY, FOLO MISOLO (Dayaz)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Androany ianao nialany,
aza mba mitomany,
fa raha mbola eto antany,
ny olon-tiana tsy ho lany.

Raha toa ianao tsy tiana,
aza mamono tena,
fa peratra varahana,
soloy volamena,

Angomana io marary,
fa aza ato hampijaly,
vady hanadala,
avelao handeha.

Lamba azo soloana,
loto mba sasana,
Akanga tsy tamana,
avelao manembana.

Marina fa sarotra ny mitia olo(na),
fa raha iray no very, ao misy folo,
mahery, malemy volo,
hefa vonona hisolo.

Mbola any i Krisitiny, any i Jocelyne, any koa i Eline.
Mbola any i Jocelin, any i Fausitin, any koa i Celin.

Dayaz
--------
Rohy:
1315 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Dayaz
Nampiditra : dayaz
Daty : 29/11/2013 17:23
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0171