KARAZANA POLITIKA (Dayaz)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Politika hitarika:
manaparitaka
masoandro mibaliaka
amin'ny fiainatsika

Politika mandinika:
tsy mitsahara miketrika
hoan'ireo madinika
izay tena somariaka

Politika mihetsika:
mitady tetika
izay tena mendrika
tsy hamparendrika

Politika majika:
mirima tsara bika
tsisy “noty” mipika
toy ny lamozika

Politika masiaka:
tia rà mandriaka
sahy manapotika
ary koa mandripaka

Politika mpamadika:
malama toy ny solika
tsy manaja fitsipika
sy lalàna voadika

Politikan’i Afrika:
no tena komika
feno fitapitaka
mampikiakiaka

Dayaz 02/14
--------
Rohy:
1090 0
Hevitra mandeha
dadatsima ( 02/03/2014 22:45)
tena voafaritra daholo ny karazam politika fa ny politika nataon'ny teteza-mita ahoana???
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Dayaz
Nampiditra : Dayaz
Daty : 01/03/2014 23:16
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0101