TIAKO ANAO (Dayaz)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Na mbola lavitra ny tany himboana,
Na feno fandrika ny lalana,
Tsy kivy izaho, fa manantena,
Fa atsika aroe fo hiaraka.

Izay raha mety hisakana,
Hitsambokinana, hialana,
Na manintsy, na mafana,
Atsika aroe hifampitana.

Tsy ataoko kivy babanao,
Tsy halahelo i mamanao,
Fa ho hajaiko anao.
Ny rendrarendra ataoko adina,
Ny adalana ho fadiana,
Fotony, tiako anao, tiako anao.

Anao kakazo vao namelana,
Izaho taninandra vao nibiana,
Atsika aroe mitambatra,
Hanamia hafaliana.

Izaho tsy hitorono volabe,
Izaho tsy manana lasite,
Fa fitiavana amiako anao,
Hitondra raha vaovao.

Na safira gony aroe,
Volamenan’i Ambilobe,
Tsy atakaloko anao.
Ataoko reny erantany,
Anakoako an-danitra any,
Fa hoe: “Tiako anao! Tiako anao!”

Dayaz / M
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1644 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Dayaz
Nampiditra : Dayaz
Daty : 01/10/2013 14:36
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0145