Asa Izany - Dox
Azo vakiana?
Asa izany
Ny masonao no itiavako iny habakabaka iny,
Sa ny masonao no tiako dia ny habakaba-manga?
Asa izany fa ny foko dia mihira ny hafaliany,
Anoloan'ny masonao sy ny lanitra mitranga!
Ny tsikinao no itiavako fivelaram-bonikazo,
Sa ny molotrao no tiako dia ny voninkazo ihany?
Asa izany fa ny foko tsy mitsahatra mivazo,
Anoloan'ny tsikinao sy ny voninkazo hatrany!
Tia ny voro-mihira aho fa nandre anao nikalo,
Sa ny vorona mikalo ivetsoako anao mandalo,
Nitondra hira tamin'ny fiainako nangina hira taona maro!
Asa izany fa izao no hany zavatra tsaroako:
Hatramin'ny niarahantsika dia mientana ny foko,
Ka mivetso ny fitiavako. O antony, fantaro!
Dox
Hevitra mandeha
lapino (31/08/2006 01:16:14)
sitlo (27/07/2007 19:27:25)
ny tratranao no itiavako ny apongabeandanintra
sa ny tratranao no tiako dia ny apongabeandanintra?
hasna.mandroso16 (17/05/2016 19:41:24)
Kiala.andria (26/12/2017 18:51:29)
Tena mandona ny foko io tononkalo io
Hametraka hevitra
Midira alohaMombamomba
Mpanoratra : Dox

Nampiditra : pissoa
Daty : 26/08/2006
Mpamangy : 6082
Mankafy : 2
Tononkalo hafa
Fa fitiavako hianaoRivotra aza aho...
Ao....
Misy
Teo amin'ny valsa
ANTSO
MAHERY ILAY ZVT MIAFINA AO ANATY AO
ASA IZANY...
Indro...
Tafatoetra