Teo amin'ny valsa - Dox
Moa ianao tsy teo an-tratrako, ary efa sambatra aho
Namolivoly ny takolako teo an-daingon-tavanao
Ary azoko natao ny nioty anao an-taho
Ry Voninkazo fanaperana, eny azoko natao.
Eny azoko natao, tsy ho nandà ianao
Efa niaraka nihovitra ny fanahy mifankatia
Nefa tsy nioty aho. Ny itiavako anao
Dia ny hanitrao tsy fantatro, no nofisiko doria,
Fa ny hanitrao tsy fantatro, ao anatin’ny vinaniko
Dia nivoatra hifandrindra amin’ny nofinofy mamiko
Ao aho, mianoka ao, mianoka ao doria, doria.
Tsy nioty aho, ary tsy hioty anao
Aoka ho zava-miafina amiko, izay rehetra aminao
Ndrao hanony ny hetahetako, ny hetahetako fitia.
DOX,1939
Sokajy :
Fitiavana
Hametraka hevitra
Midira alohaMombamomba
Mpanoratra : Dox

Nampiditra : ikalamako
Daty : 30/08/2012
Mpamangy : 5704
Mankafy : 4
Tononkalo hafa
Fa fitiavako hianaoRivotra aza aho...
Ao....
Misy
ANTSO
MAHERY ILAY ZVT MIAFINA AO ANATY AO
ASA IZANY...
Asa Izany
Indro...
Tafatoetra