Indro... (Dox)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Indro ny Zanakavavin'ny Alina
Hiroboka anatin'ny Lanitra lalina...
'Ndeha handro izy iny...

Ny volony lava toa setroka oly,
Ny maso baliakany toa hanangoly...
Mandrendri-bahiny !...

Mba mahina angaha sao misy mahita
Ka miherika im-polo..., kinanjo eny am-pita
dia indro tokoa...

Ingahy masoandro misalotra mena
malaina handao an'ity fijerena
An-dRavolana soa !...

Dia indro fa nihaona ny masony roa
Ka menatra indrindra Ravolana soa
Noraisiny haingana

'lay rahona kely mba sendra nandalo
ho enti-manafy an'ity tena mimalo
tsy ho hita mivaingana...

Nandrasany teo ny hiaingan'i Mazava...
Vao 'zay izy sahy nampiseho ny tava !
...Dia tena nitranga !

Nisosa malako, nandeha nilomano
namaky ny ony 'zay manganohano:
Ny lanitra manga !

1938
--------
Rohy:
13366 6
Hevitra mandeha
karako ( 31/07/2006 11:54)
Tononkalon'i Dox mitory hatsarana ka tsy leo mihitsy aho mamaky azy io. Mitory hatsarana nefa koa maneho ny fahaizan'i Dox miangaly ity tantara ity... Mankasitraka e!
hery ( 09/06/2019 06:07)
Lalina be. Voakajy daholo na ny endrika na ny gadona na ny hevitra fonosiny...

Tena mila tononkalo tahaka itony amin'izao fotoana izao.
ikalamako ( 09/06/2019 11:24)
Hery : ngadona fa tsy gadona. Mba hahitsiko fa izaho koa aza vao haingana tato amin'ny "vetso serasera" tato vao nahay ;)
rfanomezantoky ( 24/09/2019 12:47)
Kanto! Izay ihany no azo ambara
karako ( 18/09/2023 01:43)
Izay aho vao nihaino azy ity. Misaotra Ikalamako a!
ikalamako ( 18/09/2023 16:46)
Karako : Tsisy fisaorana moa e.
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Dox
Nampiditra : karako
Daty : 31/07/2006 11:49
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0102