PAISO - Dox
PAISO
Tafatsiry indray ny maitso
Eto an-tokontaninay,
Rako-pelana ny paiso
Mavokely rano iray
Tafafoha maraina aho
Hifoka izato rivo-manitra
Eny an’elanelan-taho
Manga ery ny volon-danitra
Eny ambony rantsan-kazo
Indreny vorona mivazo
Am-panaovana ny akany…
Toa hisy azy fatratra
Ny lohataona vao misantatra
Any ambanivohitra any !
DOX
Hevitra mandeha
Nayssa (29/11/2006 19:16:09)
Tsaroako fa io no tonkalo nianarako voalohany tamin'izao vao niditra nianatra
ledada (12/08/2007 14:09:09)
tsiajerinay t@ taona fahatelo io, tao @ EPP Antsahabe, 22 taona lasa izay....
ikalamako (09/09/2007 23:47:45)
tsaroana ny teny ambony dabilio, sady mora hay be izy io an !
aer0jhony (29/08/2016 14:31:15)
tamizay nianatra anio tonokalo io tamin'ny kilasy fah 3 ten amn CEG de tsy nahay ny heviny mintsy,,kay afaka 4 taona taty aorina niverin tan amn kilas famaranana zai vao nazava ny tian'i mpanoratra ambara.Inona ary izany?? Ny fanantenana mitsiry indray ao ampony mpiray tanindrazana noho ny fahazoan-tsika fahaleovantena.
Mombamomba
Mpanoratra : Dox

Nampiditra : Ikalamira
Daty : 19/08/2005
Mpamangy : 14836
Mankafy : 5
Tononkalo hafa
Fo mihiraAli-mainty
Andriambavin'ny fitia
Endrika
NANKAIZA?
Izy mirahavavy
Fa fitiavako hianao
Rivotra aza aho...
Ao....
Misy