You are here: home > Vetso

Zakarandahy - Dox

Azo vakiana?

ZAKARANDAHY


Mandrobona lasan-ko felany,
Mivolona vonim-boahirana…
Tsy hanitra, tsy aloka avelany,
Kanefa sariaka sy mirana!


Somparan’ny rivo-miserana
Ka vony no ararany mora
Ho solon’ny aloka itoerana,
Volomparasy tanora…


Arara-ny rivo-miserana,
Tsy hafa fa oram-pitserana
‘Reo felana meva mihintsana!


Felana mendrika oroka…
Kinanjo mpanao soamaroroka
No indreo manapoaka…Ry Vintana!


DOX
Folihala.

Hevitra mandeha

rfahendrena (17/11/2017 12:53:00)

Mendriky ny hotahafina i Dox fa tsy halaina tahaka ny asasorany.

Mafonja ny heviny,
Kanto ny endriny...
Tafita izay kinendriny.

FahNamby

Hametraka hevitra

Midira aloha