Fo sara-tiana (edmond randrianandrasana)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Toy ny vorom-bery ala
Tantely niafenam-boninkazo
itony sodi-nilefana
Nafoin'ilay mpikalo

Toy ny ravin-disy niongotra
Hatramin-taona noravana
Ny fo toa miha vovoka
fa velo-nialana

Toa zary ari-mainty
Ilay afo toa masoandro
Toa zary fota-maina
Ilay dobo nanamando

Ary izany tsy finidy
Izany tsy niniana
Na dia toa mangidy
Aza re ry tiana

Izany sisa vela
Ary lavitra veloma
Ny dila miverena
Ny ory no mifona

O! iry toa efa loka
ilay voron-kanafay
ity biby manaboka
Na tsy mbola anay

Iry tsy ando intsony
Toa dobo nofenoina
Handena ilay kila?
Dia fo mbola tompoina

Ity lisy mantsy hono
Anio kimavo ravina
Indro ho voakolo
Izany tsy mba lavina

Fa ny sodina tinapaka
Efa lany jirony
Ka ny molo-balabalaka
No hany fakan-tsirony...



Edmond randrianandrasana 28 novambra 2016
--------
Rohy:
Sokajy : Alahelo - Fitiavana
890 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143