Raha mba tia ahy ianao (!?!) (Elysé Azrael)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Hitako aminao
'Reo endrika notiaviko tao anaty nofy,
Ary notadiaviko
Fa lafatra indrindra...
Hitako aminao
Ny hatsaran-tarehy
Sy bika tsara rindra...

Tazako aminao
Ny topy maso mamy
Mitselatra fitiavana...
Hiantoraka aminao
No tsy maintsy hataoko androany
Raha tsy setrainao fandavana...

Hitako aminao
Izay rehetra ilaiko
Sy izay rehetra iriako...
Ka ho tretrika tokoa aho
Raha ianao no olon-tiako...

...Fa raha mba tia ahy ianao, dia hotakariko ny lanitra
Ary hitsaohako Andriamanitra,
Ary ianao hampanjakaiko
Amin'ny foko sy ny aiko!!!
--------
Rohy:
120 1
Mpakafy: Azrael666
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0116