Ampidiro aloha ny tenimiafina
Fitia tsy tafita (Elysé Azrael)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Heniky ny nenina,Itony diam-penina,
Fa fitia tsy tafita
No mba anjarantsika
Mitsakotsako nenina,
Tsy mahita tenenina,
Fa zary lasa latsa
Ny hasambarantsika tamin'ny lasa
Manenina tokoa
Fa tsy mbola afa-po
Nianoka fitia
Teo anilan-dry
Tena neniko, eny, neniko...
Kanefa fara-teniko:
Mbola tena tiako ianao
Tsy mbola niova hatramin'izao
--------
Rohy:
