Mandalo - Era zanaka
Azo vakiana?
Mandalo dia mandalo ny andro rehetra
Miserana, toa tsy hita mba mitoetra
Toa zavona izy, maraina ihany no hita
Rehefa lasa ireo fotoana, izay dia vita
Mandalo dia mandalo ny andro rehetra
Miroso foana, toa tsy manam-petra
Mandalo tahak'izany ny hasambarana
Hazomina izy, nefa avy eo mifarana
mandalo dia mandalo ny andro rehetra
Faingana tokoa, mahery setra
Toa rivotra izy, heno fa tsy tazana
Ny hanenjika azy ity no tena mazana
Era zanaka
Sokajy :
Fiainana
Mombamomba
Mpanoratra : Era zanaka
Nampiditra : zobelouDaty : 24/08/2005
Mpamangy : 1197
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
Ny diam-penikoNy ady tsara
Madagasikara