FIJALIANA - ernest2015
Azo vakiana?
FIJALIANA
Efa ozona hoan'ny taranaka ve
Sa ny tontolo efa voazanaka
Tsy mba miaina toy ny olon-drehetra
Fa fiainana vorehetra
Tsy mba misy fiainana hoe mamy
Ve ny ety ambonin'ny tany?
Fa dia fiainana mangidy
Eny fa na ankajo aza tsy voavidy
Iti fiainana ity kay ady
Ka tsy afa-mitraka fa mandady
Midodododo etsy sy ery mitady
Atao daholo na mangady
Sahirana mafy vao ahitana vary 1 kapoaka
Anaovana ihany na mahamenatra aza ny ankajo koaka
Ny vady aman-janaka etsy andaniny
Ny tena no mitady 'zay hohaniny
Fa ny olo-mahantra ve natao tsy ahita mangirana?
No miaina fijaliana mafy sady sahirana?
Mafy ihany rehefa tsy nianatra
Aty vao tsaroako 'lay Dadanay nananatra
Mifandimby avokoa, ireo karazam-pahoriana
Ranomaso lava foana, tsy mba misy fitsikiana
Tsy sahy mivoaka ny trano ny tena fa kanosa
Vao mandalo eny antsena voataky trosa
Aiza ianao ry Andriamanitra Rainay be fitiavana?
Mba hanala ity kapoaka mangidy sady mazana!
Aiza ianao ry 'Lay Nahary?
Vonjeo zahay fa mosary.
08/04/2015
Mombamomba
Mpanoratra : ernest2015

Nampiditra : ernest15
Daty : 21/12/2015
Mpamangy : 1565
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
IARETAKO HATRANY IaretakoIZA MOA IANAO?
"IO FITIAVANA IO"
IZANY FIAINANAO?
FITIA TSY ANJARA
"Fandalovana Avokoa"
VEHIVAVY FITAOVANA IHANY
LAZAO FA TIA Efa ela iha
TIKO LOATRA IANAO Avelao
"TSORY AMIKO..."