You are here: home > Vetso

LAVITRA AHY - ernest2015

Azo vakiana?

     LAVITRA AHY

Eh! lavitra ny tany, lavitra ny fo
Dia lavitra ny fitiavana ihany koa
Iray ny saina, iray ny fo
Izay ihany ny antsika roa
        Mahatsiaro sy malahelo, ary tena manina
        Toa tsy mampihinan-kanina
        Fa mieritreritra anao foana
        Izay ny mahatonga ahy tsy mety ho noana
Mafy ihany izany fijaliana eto antany
Toa mampisento sy mampitomany
Dia avy eo mampanotany
Hoe: Io fitiavana Io ve mamy?
         Lavitra olon-tian, ka mahatsiaro ho mangina
         Tsy mba misy taratasy avy any aminao ho famangiana
         Hoe salama sa marary ihany ve 'lay olon-tiana?
                                       15/11/2014