NY RARINY VE? (FahNamby)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY RARINY VE...?


Angamba aho tsy hiteny, ny andro mety hisiany
Fa mba mampahatsiahy, ny zavatra takiany.
Ny fihavanana eto, toa miseho an_tsarisariny
Ka moa ary izany, hampiposaka ny rariny?


Ny antsika eto, andrianina ny manana
Kanefa sanatriaviny, izany hanolo_tanana,
Ny harena sy ny volany, ireny no hitariny
Ka aiza ho aiza moa, vao hitranga izany rariny?


Ny fiainana an_drariny? toa mbola nofinofy,
Ny sasany aza ery, milaza hoe "totofy".
Ny fitiavan_tenany, no jereo habaribariny,
Mbola ho ela marina, vao himpongatra ny rariny.


Ny manana sy ngetroka, jereo matavitavy,
Toa milamin_tsaina, amin'izay rehetra ho avy
Fa ny an'ny mahantra, ny zavatra takariny?
Miady mafy hatrany, mba hanjaka koa ny rariny.


saino!
FahNamby
2016
--------
Rohy:
1504 1
Mpakafy: RFahendrena
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : FahNamby
Nampiditra : RFahendrena
Daty : 29/08/2017 02:31
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0164