Fiainana (Falisoa Daniel)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Lohasahan'alahelo
Aty ala mamanala,
Faritanim-belovelo
Saingy vitsy mpankahala.

Ranomasina manonja
Isosana ka mametra,
Famarinana sy fonja
Tsy hiantra na hitsetra.

Miotrika ao manontolo
Lon'ny lasana sy jaly,
Ny fotoana bobongolo
Natsinkafon'ny omaly.

Hita ao ny rà matsatso
Tsy ivalozana mandidy,
Ny kapoakan-dranomaso
Ranom-bahona mangidy.

Tsangan'olona fa faty
Ialana ka mitsena,
Feno maimbo dia tsy tanty.
Dongon-tany fierena!

Ao ny rian-dranovola
Zary foana sy mangaina,
Tonga tankina ka tola
Tobim-pako tsy ilaina.

Ny hetahetan'iny fo
Norovitina ka ratsy,
Valombalony avokoa:
Ao ireny no mba vatsy.

Ao ny tiana no misary
Nototofana hany mantsy,
Dian-tànany nanjary
Afon'arina sy antsy.

Faniriana tian-kijoro,
Nofinofy hatry ny ela:
Ao ireny no nakoro
Ao ireny no tavela.

Falisoa Daniel ( coline )
14 Septambra 2004
--------
Rohy:
1250 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Falisoa Daniel
Nampiditra : coline
Daty : 21/04/2005 21:01
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0094