You are here: home > Vetso

Soratra ho an'ny zazavavin'ny tany - Falisoa Daniel

Azo vakiana?

Raha misy any olona manina anao
hitondra fitiavana mamy dia mamy,
maniry ny fo ka te honina ao
ho vitanao ve ny hikimpy amin'izany?

Raha ory izy mantsy fa raiki-pitia
manantena fanafana ka mitalaho,
ho vatranao ve hanamaika ny dia
handositra lavitra hidify amin'izao?

Domohin'ny ainy no tokana an-tany
andrian'ny fony fa voro-nirina,
ho marina ve sa ho nofiny ihany:
akaikin'ny tia,eo anilan'ny tiana?

     Falisoa Daniel( coline )

Sokajy : Fitiavana

Hevitra mandeha

NyKanto (26/04/2005 15:58:14)

Eny ho aho ry zazavavin’ny tany
Moa tsapanao ‘ty faniria-mampahory
Ny rindram-pitiavany tomanitany
Te-hiara dia sy hahita tory …

Ny Kanto.


Hametraka hevitra

Midira aloha

Mombamomba

Mpanoratra : Falisoa Daniel

Nampiditra : coline
Daty : 21/04/2005
Mpamangy : 770
Mankafy : 1

Tononkalo hafa

Vetsovetso amoron-dranomasina
Mpisompatra
Fiainana
Ry kintana