You are here: home > Vetso

Ry kintana - Falisoa Daniel

O ry kintam-baovao
Anaty kianja fifaliana
Ndeha hindramiko ianao
Hitondra ny hafatro mangina.

Ampitao ny nofinofiko
Dia raiketo ao am-pony,
Ireo dina sy ny tokiko
Tanisao sy tonony.

Fa ianao no eo foana
Ka mandrakotra ny tany
Sy mameno ny fotoana,
K'io hafatro io todio mankany.

Fa lavitra izy ka tsy hita
Ny elanelan-tsy voarefy,
Ny sary nofy toa mba vita
Iangalio ho tsara tefy.

        Falisoa Daniel( coline )


Sokajy : Hanina

Mombamomba

Mpanoratra : Falisoa Daniel

Nampiditra : coline
Daty : 22/04/2005
Mpamangy : 966
Mankafy : 1
Ankafizo Azo vakiana?

Tononkalo hafa

Vetsovetso amoron-dranomasina
Mpisompatra
Fiainana
Soratra ho an'ny zazavavin'ny tany

Hametraka hevitra

Midira aloha