You are here: home > Vetso

Mpisompatra - Falisoa Daniel

Azo vakiana?

Fo torantorana
Teo am-patorana
Foiny nodorana
Sy nofongorana.

Fitia fotsifotsy
Taman-drotsirotsy
No tojo mpisosy
K'indrisy voahosy.

Izy nahavàtra
Tsy nanana antra
Fa nampomba ratra
Ilay fo tao an-tratra.

Fahazavan'ny tany
Mpamafa tomany
Kinanjo hita ihany
Fa aizi-mavàny.

Fanafana hony
Natao mba hanony
Nisidina ambony
Tsy nidina intsony.

         Falisoa Daniel

Sokajy : Fitiavana

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mombamomba

Mpanoratra : Falisoa Daniel

Nampiditra : coline
Daty : 14/04/2005
Mpamangy : 819
Mankafy : 1

Tononkalo hafa

Vetsovetso amoron-dranomasina
Fiainana
Soratra ho an'ny zazavavin'ny tany
Ry kintana