GASIKARA (Fandeferantsoa julien)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Indrisy ry gasikara mamitsika
Tandomindoza ny hoavinao
Tadiavin'ireo panao politika
Ho zimbazimbaina ianao

Tsy ekena anefa izany
Fa masina loatra ianao
Ka arovanay hatrany
Mba tsy hatao akilabao

Masina loatra ny tanindrazana
Ka aoka samy hanaja izany
Raha mbola samy ifanidy vazana
Mba hanao ahoana re ny iafarany

Ho anareo panao politika
Ampy zay ny tsy fitoviankevitra
Andeha amin'izay hojerevatsika
I gasikara zay efa rendrika
--------
Rohy:
Sokajy : Fiaraha-monina
741 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fandeferantsoa julien
Nampiditra : fandeferantsoajulien
Daty : 27/12/2018 17:43
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0147