You are here: home > Vetso

NOELY MAHATRA - Fandeferantsoa julien

Azo vakiana?

Indrisy ry Noely mahatra
Fa misaona ny foko ankehitriny
Christmas nitondra ratra
Mampatsiahy ireo fahiny

Heritaona zay no lasa
Daty iray tsy ho voafafa
Fa mijanona tsy miala
Ho tsiahy sy tantara

Nody mandry ilay malala
Raha christmas toy zao
Samy tsisy nahalala
Fa tapoka be tsotrizao

Alahelo mintamberina
Rehefa Christmas toy zao
Tsy haiko intsony izay ho tenenina
Fa feno loatra ny anaty foko ao

Sokajy : tsiahy

Mombamomba

Mpanoratra : Fandeferantsoa julien


Nampiditra : fandeferantsoajulien
Daty : 24/12/2018
Mpamangy : 1019
Mankafy : 0

Tononkalo hafa

GASIKARA
FO ADALADALA
FIRARIANTSO
MASOANDRO MODY
VOADY Iny voady zay nifa