VOADY Iny voady zay nifa (Fandeferantsoa julien)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
VOADY

Iny voady zay nifamerana
Tsy ho adinoko na ovina
Tsy henamaso na fitserana
Fa tena tanjona sy fanirina

Aoka ho tsaroina eny fona
Naiza naiza misy anao
Ilay voady tsy ho foana
Sy ilay toky nomeko anao

Ireo voady no mamatotra
Ny toky zay nomena
Aoka mba tsy hivadika
Na mahatra na manankarena

Ny fitiavana no ambony
Nolazaiko ombieny ombieny
NY fitiavana no mapintony
Ireo voady sy ireo teny
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1292 0
Hevitra mandeha
raims randriamalala ( 18/12/2018 14:21)
tsipelina : --- tsy ho adinoiko, --- oviana, ----- faniriana, --- foana, ---- n'aiza n'aiza, ---- mahantra, --- manan-karena, ---
ny ato anatin'ity rohy vetso serasera dia maro mpamaky ka raha tsipelina no tsy voahaja dia mandrary mampianatra diso isika, mirarisoa o!
fandeferantsoajulien ( 24/12/2018 19:24)
ianao koa mba ahitsiko kely
manjary le izy fa tsy mandrary
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fandeferantsoa julien
Nampiditra : fandeferantsoajulien
Daty : 17/12/2018 18:48
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0156