Ireny tononkalo ireny (Fara Mananjandry)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ireny tononkalo ireny

Ireny tononkalo ireny,
tsy mba teny fe teny
arafidrafitra ho kanto,
hirindra sy hilantolanto,

fa tena kiakan’ny fanahy,
amborahana tsy nahy
sombim-piainana mafonja,
tsy voafefy ka manonja.

Misy onjam-pifaliana
miparasaka ho riana,
ao ny vongan-dranomaso
abosesiky ny ankaso,

ny hatezerana aman-tsiaka
misasasasa toy ny riaka,
ny alon-drano izay nateraka
hakiviam-panahy tanteraka.

Mety ho oram-be mifafy
avy any am-po voaratra mafy,
na ranotrambo tsy hay tohaina
raha sendra folaka ny saina,

mety ho ranomody koa
mitaratra famoizam-po,
na zavona entina anafenana
fihetsika anenenana.

Ao ny loharano mavana
aboiboikan’ny fitiavana,
misy indray farihy lalina,
mampisaina, mahamalina.

Fa misy varatra apoakan’
ny fitroatran’ny vahoaka,
ary ny ony tsy hay fefena
ambara-pahazo fandresena…

Tsy ny rima mifamaly
na ny ngadona voakaly,
no amaritana ny hatsarany.
Halalino izay ambarany.

Tena silaka fanahy
izay mihanjaka tsy nahy,
hetsi-po mivoaka ho teny
ireny tononkalo ireny.

Fara Mananjandry
Mayotte, alarobia 18 ôkitôbira 2006
--------
Rohy:
Sokajy : Malalaka
1362 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fara Mananjandry
Nampiditra : vahindanitra
Daty : 17/04/2008 11:37
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0145