Izao tononkalo izao (Fara Mananjandry)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ianao izay nijaly mafy noho ny fahantrana,
nametraka finoana mbamin’ny fanantenana
tamina mpitondra izay fitaovan’ny vahiny,
kanjo mainka koa mihamahantra ankehitriny,
te hampitraka anao
izao tononkalo izao.

Ianao izay namono ny feon’ny eritreritrao,
nivarotra ity tanindrazanay tsotra izao,
nangorona fananana, nanitsaka vahoaka,
nandatsaka ny ran’ny Malagasy dia nitsoaka,
tsy miantso tody ho anao
izao tononkalo izao.

Ianao nanao akalana ny ain’ny madinika,
misosososo fahatany, tsy mba mahadinika,
revom-boninahitra, baikoin’ny hambom-po,
tsy manan-teti-pitondrana fa kitoatoa,
te hampisaina anao
izao tononkalo izao.

Ianao izay mikatsaka ny fahaleovantena,
mitolona hampijoro fiandrianam-pirenena
mifofotra hanafaka an’i Madagasikara,
mba hiadana finaritra ny zanaka amam-para,
te hankahery anao
izao tononkalo izao.

Raha mbola tsy voarodana ny herim-panjanahana,
ambara-pahatafitan’ilay tolom-panafahana,
ny hirako ho Anao tsy hiato na oviana
raha mbola velona aina aho ry Gasikara tiana !
Atolotro ho anao
izao tononkalo izao.


Fara Mananjandry, talata 19 mey 2009
--------
Rohy:
Sokajy : Fiaraha-monina
85 1
Mpakafy: aptrick
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fara Mananjandry
Nampiditra : ikalamako
Daty : 16/08/2024 16:19
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0862