Ny fahatsiarovako azy (Fara Mananjandry)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny fahatsiarovako azy…


Nikalo ny fitiavana izy, nihira ny firahalahiana,
Tononkalo no nasetriny ny tolona sy fahoriana,
Mbola hira ihany koa no nateriny eny am-pasana
Hampionona ny fony namoy ireo havan-tiany lasana…

Ny fahaizany mamehy an-teny fohy ny ao am-pony
Ka mandrindra azy ho kalo dia efa tsy ambara intsony,
Fa na ianao io aza no mindrana ny diam-peniny
Dia toy ny avy ao anatinao izay zavatra teneniny!

Raha eny an-dalana eny izy hitanao toa lasam-borona
Dia efa ao an-tsainy izay ilay tononkalo vao miforona…
Miato kely izy aloha, heverinao fa maka aina.

Kanjo rovi-taratasy no iraketany avy hatrany
‘Lay vetsovetsom-po nisandratra avy any anatiny any,
Matetika tsy voasonia hoe: “Dox Razakandraina”...


Fara Mananjandry
Mayotte - 14 août 2002
--------
Rohy:
Sokajy : Fahatsiarovana
1461 4
Mpakafy: Djah Hco - hery - lanto - zoky
Hevitra mandeha
zoky ( 17/04/2008 10:41)
heh! Mafinaritra rhf mahatsiro reo zoky teo aloha.Miaotra an'i vahindanitra nampiditra ny vetson'i Fara mananjandry. Mankasitraka. Tsara lay Vetso
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fara Mananjandry
Nampiditra : vahindanitra
Daty : 30/03/2008 00:16
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0133