TSY NAMPOIZIKO (felandefona)
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy mahita tory aho indrisyMivadibadika izay tsy izy
Ny masoko tsy mikimpy
Ny saiko koa tsy ao mihintsy
Talanjona aho no sady gaga
Tsy mahateny akory ny vava
Ranomasoko mijohy
Alahelo toa hitihy
Zay vai tena fantatro
Zay vao tena tsapako
Mangidy raha ny fitiavana
Mampijaly mampatorovana
Tsy nampoiziko mihitsy
Kay vehivavy mbola misy
Nataoko fa izaho irery ihany
No hany tiany teto an-tany
N.A.F
« Plus on a …plus on veut avoir.. »
--------
Rohy:
https://vetso.serasera.org/tonokalo/felandefona/tsy-nampoiziko
Hevitra mandeha

endrika01
(
03/07/2009 17:48)
Ny Reniny ihany kou vehivavy,ny anabaviny,ny sakaizany....