Fa moa nofy...? (Fenotsoa)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fa moa nofy...?


Fa moa nofy ihany
isika roa tafaray-
fa tsy efa hatrany
-tendrin'ilay Ray?

Ny nofintsika roa
nanjary ho iray
ny fontsika koa
moa tsy efa izay?

Fa moa nofy ihany
isika roa tafahoana,
tafaraka hatrany
tsy hay hoe nahoana?

05 Martsa 2007
15h14
--------
Rohy:
1247 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fenotsoa
Nampiditra : harisanda
Daty : 06/09/2007 07:55
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0135