'Lay tsikinao - Fenotsoa
Azo vakiana?
'Lay tsikinao
Na ilay tsikinao aza
ampy, eny, hanazava
ny làlana ho diaviko
ary koa hampisava
ny adim-panahiko.
Na ilay tsikinao aza
eny, ampy, handrava
ireo sakantsakana
Hampifaly lalandava
ny tsy salama vatana.
Fa raha ianao no tsy mitsiky
tena mafy amiko mihitsy iky!
30 Aprily 2006
Hametraka hevitra
Midira alohaMombamomba
Mpanoratra : Fenotsoa
Nampiditra : harisandaDaty : 06/09/2007
Mpamangy : 1202
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
Mainka'Fa tiako!'
HO....
Angolaiko dia...
Fa moa nofy...?
ANTSAIKO!