'Fa tiako!' (Fenotsoa)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
'Fa tiako!'


Tsy foiko hihataka amiko
n'aiza misy ahy ry mamiko
na olon-kafa no hiantso Malala
fa tiako ianao,tiako, ahy irery
lavitry ny mason'ny tia jerijery
f'izay tratrako? Hijaly, ho ory
tsy hanompy maso anao akory!

'Zay manandrana mikitika anao
dia handraingiraingy tsotr'izao
F'izaho mantsy rehefa tia, mitia
...tsy mila mpisompatra satria:
ny amiko rehetra efa lasanao
ny tontoloko:moa tsy efa babonao?

Ho maro ireo sedra holalovana
sy ireo mpisakana hisalovana
saingy tsy ahoako akory izany
f'horeseko moramora hatrany!


''Fa tiako ianao tsy hitambarana amin'ny hafa
satria ianao am-poko tsy ho voafafa!''

08/05/06
--------
Rohy:
1563 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fenotsoa
Nampiditra : harisanda
Daty : 05/10/2007 12:12
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143