ALINA (fily)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ALINA

Lasa nody 'lay masoandro
Tong' indray 'ty ny alina
Vita koa ny nahandro
ANDRIAMANITRA ao an'ambo

Mitamberina ao an-tsaina
Am 'ty alina mangina
Ireo adin-tsaina
Ka vaky mitaraina
Mila ho tra-maraina

Amin'iza anefa !
No ilazan 'izany ?

Iza no hitarainana ?
Ka hiantra , sy hitsetra !
Aoka tsy toetra
Izay no tarigetra

Ny zavatra rehetra
Nisy niandohana
Mino aho, ianao ,isika
Fa misy fiafarana

Nef' indrisy!
Adin-tsaina toa ts'isy fetra
No misesika, amboletra
Tsy mitsitsitsitsy
Na misangisangy
Fa mamely mafy
Tsy mivazivazy
Reraka ny olona
Zay sendra azy

Izaho nefa 'ty
Reraka ny maso
Vizana ny saina
Reraka ny aina
Torovana ny vatana
Ny tena valaketraka
Aleo aloha mipetraka

F'indrisy ry alina mangina
Misesika daholo
Na ny ratsy na ny tsara
Ka lasa bobongolo
Ny saina manontolo

Miezaka hanafoana
F'indrisy zava-poana
Mivadika malazo
Ka tafiditra ny tazo
Tena mafy ! , tena mafy !
Tena mafy ! 'ty mahazo !

Eh ! rahoviana no hisava ?
Ka hipoitr'ilay mazava.

Mino aho anefa !
Fa mbola ho avy 'lay maraina
Indray andro any ... !
Hanasitrana an'izany

Tompo O !
Mba tompazo maso
'Ty ondry kelinao
Vizana ny saina
Tofoka sy lao

Ianao ry TOMPO
No hany fanafody
Hanafaka an'izany

Am'izay fotoana izay
Misokatra ny maso
Malefaka fijery
Misento tokan ' eo !
Mitsiky moramora !
Miramiran-tava...!
F'efa lasa ilay ankaso
Nahalatsa-dranomaso.

Tonga fifaliana
'lay alina mangina
Ho zary nofinofy
'lay hazo fijaliana
Ho tsara safosafo
'lay vady , ny olon-tiana

Eh! mitondra inona marina ianao !
Ry alina mangina ?
Fa ny voahary rehetra ity !
Milamina sy gina !
Tsy voavaliko ny marina
Fa hapetrako ho fanontaniana ?

Fa ny azoko atao
Ny mangataka aminao
Ka ny lasa avelao
Az 'atao mitambolina
Ka hitamberina ao an-tsaiko
Reo adin-tsaina
Satria ! Mantsy !
Mandreraka ny aina

Rehefa tonga ny hariva
Eo ambon'ny fandrina
Lasa heritreritra
Mijery toa varina
Mikipy moramora
Maka tori-maso
Sondrina d(e) sondrina!

Ka ho alim-pahasambarana
Hitondra fiadanana
Ny voahary rehetra
H'ahazo fahafahana

Ny alina mantsy hono...!
Mitondra fisainana
Ka raha misy any ho any !
An'isan'izany
Malahelo mitaraina
Mitoloko mitomany
Tojo adin-tsaina

TOMPO O ! mangataka aminao !
Angorao ka esory
Fa izahay rehetra
Efa samy mahalala
Fa raha be loatra io
Maha-lasa adala

Satria ianao ry TOMPO !
Tsy tia ny RATSY fa ny TSARA
Izay no sitrak'ANDRIAMANITRA
Amin'ireo ZAVA-BOAHARY.

Mpanoratra: R.P.G. na fily
--------
Rohy:
1798 1
Mpakafy: valo400
Hevitra mandeha
valo400 ( 28/09/2007 12:05)
mbola hanonofy kely aho aloha
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : fily
Nampiditra : fily
Daty : 26/02/2006 10:22
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0742