NY RANO SY NY ALA (fily)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY RANO SY NY ALA

Iza indray no tsy mahalala
Fa saro-bidy anie !
Ny rano sy ny ala

Jereo anie ny rano
Avy ao an'ala
Rano soa madio
Izay mangalahala
Tsy misy izay tsingala

No hita mikoriana
Avy ao anaty ala
Ka tena masondriana

Iza no tsy mahalala ?
Raha tsy hoe mody adala
Ka aoka isika MALAGASY
Tsy hisy hilasilasy
Na hisalasala
Fa hikarakara
Ny rano sy ny ala

Miankina ao daholo
Ny aina manontolo
Ny boky, ny kahie, ny taratasy
Hianarana any an-dakilasy

Na inona na inona
Samy mila rano
Ny hazo hanamboarana ny trano
Ny fanaka sami-hafa

Ny ao an-tokan-trano
Hanamboarana sakafo
Tsy maintsy ilaina izy
Amin'ny lafim-panadiovana

Ny vary sy ny rano
Tsy misaraka mandeha
Na an-tsaha na an-tanana
Raha tsy eo ny rano
Ho loza sy angano

Raha tsisy koa ny ala
Tsisy koa ny rano
Ka ny vary izay haniry
Tsy hisy tafa-tsiry

Ka loza sy atambo
Raha tsy milatsaka
Ny orana avy any an'ambo

Tonga ny mosary
Tsy misy santa-bary
Tsy hiakatra ny vary
Noana ny vahoaka
Be ny marary

Mifampiankina daholo
Ny rano sy ny ala
Ka isika rehetra
Tsy hisy hisalasala
Fa samy mahalala

Tena saro-bidy
Ny rano sy ny ala
Ka samy hitantara
Amin-janaka amam-para

Ao an'ala ao
No fonenan'ireo biby dia
Misy maro karazan'izy ao
Mijery ianao miankavanana, miankavia !
Ao ireo biby
Tsy misy raha tsy aty amin-tsika aty

Ka isika nomena indray ve!
No milaza fa tsy tia
Ka ho tonga amin'ilay fitenenana
hoe :
Ho hitan'ny havany eo
Ity nosin-tsika ity

Enga anie
Ny saina manontolo
Tsy ho lasa bobongolo
Ka hanimba sy handoro
Ny tanety manontolo

Isika mianakavy
No hopotika sy toro
Ka ho fongan'eo daholo
Ny ezaka najoro
Aoka isika hanasoa,hikolokolo
An'i MADAGASIKARA manontolo

Mpanoratra : R.P.G. na fily
--------
Rohy:
2722 1
Mpakafy: volana1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : fily
Nampiditra : fily
Daty : 19/03/2006 06:10
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143