NAMAKO (fily)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NAMAKO

Tamin'ny ora tsy nampoiziko
No nahitako namana iray
Tsy haiko aloha
Na ho namako
Na hifanohitram'izay

Raha ianao
Inona no nataonao ?
Fa hatramin'izao aloha

Ankamantatra ao am-po
Ny maham-pinamana
Anay roa
Avadiky ny segondra
Minitra , ora
Eny andro , volana
Ho taona ihany koa

Ny ampitso tsy mbola fantatra
Fa mbola ankamantatra
Ny fony , sy ny foko
Efa samy miandry fatratra

Raisiko izy aloha ho namako
Tsy namana anio
Na namana ampitso
Fa ny tena faniriko
Namako mandrakizay

Mifanoratra, mifampitafa
Ianao no namako
Tsy miala ao an-dohako
Ny momba anao tsy voafafa
Ny anio, ny ampitso, na ny lasa

Isaky ny manoratra
Toa mivakavaka
Hamboraka fitia
Toa mihafahafa

Matahotra aho
Sao ahazo TSIA
Ny tiko nefa
Ny ENY hiara-kodoria

Tsy man'inona
Fa indray andro any
Mbola hisy ny fotoana
Hilazako izany

Homeko fotoana
Mba hifankahita
Ho faly aho mijery
Ny endriny mirana sarika
Tsy lehilahy koa
Raha teny no ampita

Fa hatram'izao
Izaho sy ianao
Toy ny vary sy ny rano
Na siramamy sy kafe
Tsy misaraka mandeha

Ka ny tena tsara
Mifamboraka tantara
Na ny ratsy, na ny tsara

Raha sendra olana ianao
Izaho tsy hanidy vazana
Iarahana mamaha
Fa ratsy ny mitazana
Hiravoravo tanana

Hafatro aminao
Aza adino ny milaza
Raha misy olana ianao
Az'afenina, aborao
F'izaho koa
Tsy hanafin'ato am-po

Satria tsy ho mpaminany
Ka hafantatra an'izany
Izaho na in-dry
Any ho any
Efa sasatra tomany

Am'izay fotoan'izay
Samy mahatoky
Tsy hifankafohy
No taza-miara-dia
Fa isika roa
Ho mpifanka-tia

Hanao veloma aho
Ampy izay ny anio
Amin'ny andro hafa
Tohizan-tsika io

Aza malahelo !
Na misento koa !
Fa mbola misy ny fotoana
Afahan-tsika mihaona

Veloma an !
Zay aloha no mety
Velom'-ndry !
Veloma vetivety.

Mpanoratra : R.P.G. na fily
--------
Rohy:
2243 1
Mpakafy: valo400
Hevitra mandeha
valo400 ( 28/09/2007 12:03)
fifankatiavan-tsika roa
tsiou1482 ( 04/02/2011 11:05)
Eto anilanao ihany aho fa tsy dia lavitra loatra akory
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : fily
Nampiditra : fily
Daty : 19/03/2006 05:21
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0138