Ry MANJAKAMIADANA (fily)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
RY MANJAKAMIADANA

Eh ! Mahonena
Indrisy mantsy ry Rova
Ianao rakitry ny ela
Harena sarobidy
Nokajiana ho tadidy

May hotohoto
Potika sy toro
Indray mipi-maso
Vokatry ny afo
Nateraky ny ankaso

Vizana ny saina
Marary ny andoha
May hotohoto
'lay Rovasoa

Iza ? Iza marina ?
No nahavanona ny loza
Aza avela
Avohay ny hasinao ry anaty Rova
Aza avela
Fa ny vatanao
Sanatria tsy atao kitoza
Ka ho zimbazimbain'ireo
Tsy mataho-doza

Ireo olona nanimbazimba anao
Aza avela fa harao
Aza avela hanjakazaka
Fongaro mba ho tratra
Fa ny fo-nay vahoaka
Malahelo , rotika , naratra

Ka tsy mendrika ny hiaina
R'ilay tsy mataho-tody
Fa mafy sy mangidy
Maha-be adidy

Mba MALAGASY ihany ve ?
Tsy toe-tsaina Gasy
Ny toe-tsaina ratsy
Maloto feno tasy

Ry anaty Rova
Aza kivy ianao
Fa ny vahoak'izao
Mikarom-panafody
Hanasitrana anao
Tsy miandry fotoana
F'izao dia izao

Tompo o !, ampio izahay
Fa ny harenanay
May hotohoto
Ny olona nandoro
Tsy madio saina
Fa maloto

Vono afo novonjena
No namoizan'aina teny
Mampalahelo mahonena

Ry tanora izay namoy ny ainy
Vokatr'iny loza iny
Hanaraka ny anaran'io toeran'io
anie
Ny nofo mangatsiak'anareo
Hotanteraka aminareo anie
Ny anarana hoe: MANJAKAMIADANA
Ka mandry ampiadanana

Tompo O ! Raiso re !
Ny fanahy tsy manan-tsiny
Raiso sy vimbino
Ho eo anilanao
'reo mpanompon-kelinao
Maty tsy hiteny
Vokatry ny ankaso
Nahalatsa-dranomaso

Ireo izay nandoro
Aza avela hilamina
Na hiadana
Hafatra aminao
Ry MANJAKAMIADANA

Mpanoratra : R.P.G. na fily
Nosoratana t@ : 10 / 11 / 1995
--------
Rohy:
Sokajy : Alahelo
1581 0
Hevitra mandeha
Mahefakely ( 14/10/2007 14:04)
Tsara ny tononkalo, fa asehoy ny maha izy anao (mahefa Rasolofonirina)mankasitraka tanteraka
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : fily
Nampiditra : fily
Daty : 27/02/2006 09:28
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0139