SARO-PIARO (Finidy NyAndry)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tiako ah,
Tsy manan-jo hanakona ny kintanao ny foko
Fa manan-jo hisintona ny tananao tsy ho may.
Mba manan-jo hiaro ny Dina tsy ho voaloto aho
Na dia tsy omenao zo hitia mandrakizay.

Haiko koa fa,
Tsy anjarako ny handrara an'izay finidinao,
Tsy ahy ny familiana ny fiainanao manokana.
Tsy izaho no hampamanga ny lokondanitrao
Fa eto kosany aho mba ho aloka fialofana;
(Raha diso manga loatra ny lanitrao ka handoro)

Ary averimberiko ihany hoe,
Tsy izaho no manankery anie raha lasa ambony ianao e
Tsy tohatra akory aza aho, fa mety ianao no lava.
Fa nefa kosa tiako ah, mba andry fotsiny aho
Mba andry ilay manohana ny fiainanao tsy ho rava ,ka

Raha mbola misy mombako ao an'heritreritrao,
Raha mbola misy anjarako tsy hainao nofafàna
Dia mba ekeo androany hoe olotiako ianao
Olotiako ianao, mahatonga anah tamàna.

Finidy NyAndry
--------
Rohy:
Sokajy : Fisarahana
30 1
Mpakafy: Finidy NyAndry
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Finidy NyAndry
Nampiditra : Finidy NyAndry
Daty : 03/05/2026 12:40
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0163