VAVAKA (Finidy NyAndry)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
VAVAKA

Ry Tompo mankety รด!
Asa avelao ho manirery Aho raha Mbola miaina ety
Ny foko sy ny saiko koa re
Aza avelanao hania
Hiantsampy any an-kafa

Fa....,arovy tsy ho Simba ny foko efa maratra.
Dia.... MBA tafio herin-tsaina ity saiko kely Bado
Ny ranomasoko mipatraka aty Ambany ravinkazo
MBA ampidio ho fifaliana.

Ny foko izay misaona
Aza intsony hampijaliana fa
Ndrao tsy ho zakan'ny lohaliko ny vesatra ao an-tsoriko
Ndrao tsy ho telindanilaniko ny kapoaka atoakao imolotro
Ka ...,Sao hanimba ahy

Fa...,tompazo fifaliana
ity zanakao variana
Misento mitomany
Fa hitanao Dia hitanao ihany
No hany sisa havako

Ka enga anie valionao
Izay MBA anjara valimbavako.

Finidy NyAndry
--------
Rohy:
Sokajy : Alahelo
42 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Finidy NyAndry
Nampiditra : Finidy NyAndry
Daty : 17/09/2023 05:45
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2023 - page load 0.0636