Satria aho babonao (Finidy NyAndry)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
SATRIA AHO BABONAO

Nantsoiko hoe Tiana ianao...
Nantsoiko hoe Fifaliako.
Nantsoiko hoe Faniriana...
Nantsoiko koa hoe Tiako,
Malala sy ny sisa.

Niantsoko anao daholo
Ireo teny manontolo
Nasondotry ny visa
Hivoana tao antsaiko
Fa.....,
Tiako ianao ry aiko

Eny,tiako sy lalaiko
Hatramin'ny fara-fofonaiko
Eto amin'izao tontolo..

Fitia tsy hiova volo fa...,
Vonona ny hiaritra.
Manko aho..,hatrany am-para-hatoka
Mankafia anao...
Tiako anie ianao e!...

Koa ankehitriny izao,
Manomboka androany.....
Lazaiko ho tsapanao fa...,
Hatrany hatrany hatrany
Ianao no tompon-daka am-poko lalina ao

Ianao no Andriamanjaka hanefy izay ho avy...
Koa,e mandrosoa an-dapa.....
Ry...ilay mpanjakavavy

Finidy NyAndry
17/08/2022
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
460 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Finidy NyAndry
Nampiditra : Finidy NyAndry
Daty : 27/08/2022 14:09
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144