You are here: home > Vetso

Izy - fitiavana

Azo vakiana?

Izy

Izy ilay  tovo , notiavinao mangina
Naka toerana , lehibe ao an-tsainao ao
Izy , fototry ny adiady sy ny  fahoriana
Nanery ahy handao , eny ...handao anao !!

Izy ilay nandrava voadin-tsika roa
Mihindrana izy hoy ianao fa tsy tompony akory
Izy , norobainy ,nangalariny avokoa
Ny fahasambaran-tsika , fitiavantsika izay natory

Izy vao miantso dia valianao haingana
Tongavanao  n'aizan'aiza misy azy
Izy ilay lainganao  , fifalianao mivaingana
Hay tena matotra , tena tia ianao fa tsy vazivazy !

Izy ,izy ve nanome misimisy kokoa noho izaho ?
Fitiavana sy tambitamby nomeko anao hatramin'izay
Izy no nahatonga ahy nitaraina nitalaho
Mba hijanonanao   anilako  , hitambaran-tsika iray

Nefa ...izy no nandresy , nahay nanome
Izay notadiavinao tamiko  fa tsy hitanao akory
Sa hananako izay ananany fa leo ianao ve ?
Izy  no safidinao indray , navelanao ny foko ho ory !!

Izy , ny fifaliny ranomasoko
Ianao lasa fahavaloko andray !
Izy ilay   no  ankasoko
Ny mariazin-tsika tsy ho mandrak'izay

Izy nahavita ahy nandao sy niala aminao
Ny lasan-tsika tantara efa vita indrisy
Teniko sy hafatro ho anao
Olona tahak'azy sy ianao tokony tsy hisy!!!


Fitiavana le 02/12/13   22h30mn


Sokajy : Fitiavana

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mombamomba

Mpanoratra : fitiavana

Nampiditra : fitiavana
Daty : 02/12/2013
Mpamangy : 2188
Mankafy : 0

Tononkalo hafa

Rehefa tia ...
iny alina iny
sambatr'aho
voary
misaotra anao malala
sombin'aiko