You are here: home > Vetso

Rehefa tia ... - fitiavana

Azo vakiana?

Rehefa tia , maivamaivana ny vantana
Mazava tsy malama izany lalana
Matanjaka sy kinga izany saina
Sarika ,hirahira ny maraina !

Rehefa tia , tsara akanjo ,manimanitra
Tsy mba misy rahona ny lanitra
Tia manolotra fa tsy mandray
Sahisahy tsy matahotra ny ho may!

Rehefa tia tsikitsiky aok'izany
Efa hadino izany hoe tomany
Malalako malalako tsy miala amin'ny vava
Ny antsika ho doria tsy ho rava !

Rehefa tia ,jamba tanteraka  ny maso
Hoe tsy hisy intsony izany ankaso
Ny ratsy sy tsy tiana taloha  hatramin'izay
Hay tsara sy mendrika tokoa kay !

Rehefa tia , tiana ho tantaraina ny tsy ambara telo
Fantatrao moa miaraka aminy sanatria ny alahelo
Mahafinaritra avokoa ny momba azy rehetra
Fitiavanao azy miroborobo tsy misy farany sy  fetra


Rehefa tia te hihaona azy hatrany
Fisarahana kely miafara tomany
Ny fo tokana tsy mahatazana izay mpanadala
Fa izy hono efa manana malala !



Rehefa tia , porofoina amin'ny fehetsika tokoa
Bà kely , mifampitantana tsy misy afatsy isika roa!
Mifanome toky , voady tsy hisaraka intsony
Mino tanteraka fa azonao  izany fony !






Fitiavana le 02/12/13    23h01 mn









Sokajy : Fitiavana

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mombamomba

Mpanoratra : fitiavana

Nampiditra : fitiavana
Daty : 02/12/2013
Mpamangy : 4073
Mankafy : 0

Tononkalo hafa

Izy
iny alina iny
sambatr'aho
voary
misaotra anao malala
sombin'aiko