Impiry aho nozonina nieza (Harena Mijoro Noah)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Impiry aho nozonina niezahana ho lavo
Impiry aho no nenjehina ezahana ho potika
Impiry aho no araraotina ezahana ho gafiana
Impiry aho lazaina fa olona tsy tiana

Efa impiry moa ireo olona mankahala
Efa impiry fa odiko mody adala
Ezahako tsy henoina sy ho jerena akory
Rehefa reraka izy mangina fa ny fiainako mitohy

Ny olona tsy tia dia miezaka mandentika
Tsy faly ny hananana satria ny fo lentika
Raha sendra ory ianao,hiomehezany
aoriana
Fa teny aloakany vavany,nihinana ny fatiny iny

Ka hoy aho hoe
Aza enjehina aho fa mbola lavitra ny lalako
Avelao aho hiezaka hitady zay anjarako
Aza soparana akory aho na dia Kely
Fa fiainako sy ny anao tsy hitovy velively
--------
Rohy:
Sokajy : fiainana
616 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Harena Mijoro Noah
Nampiditra : mijoro.nyntsoa
Daty : 02/02/2020 01:35
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0101