Ry foko Fa dia nahoana lo (Harena Mijoro Noah)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ry foko
Fa dia nahoana loatra
Nifohazinao fitiavako?

Matahotra aho mantsy
Sao mbola hapijaly ahy fitiavako

Ry foko a
Inona no ataoko e?
Raha ho tiako izy iny

Manahy aho mantsy
sao tsiniko any aoriana

Tsia!!!

Vao haingana aho no naratra
Ka sao hanimba ahy
Ka lasa nenina ho ahy rahatrizay

Ry foko a
Ianao ve adala e
Sa tsy mitsinjo ahy
Fa hoy ianao hoe:iny misy olona hanasitrana ahy

Tsy haiko intsony ry foko a.
Na ianao no mibaiko
Fa ny saiko tsy mino
Hoe iny ve no mba andrandraiko?

Feno fitaka mantsy,izao rehetra izao
Ka tsy haiko intsony tokony atao
Maratra e maratra aho ry Foko a
Fa raha mety re ianao
Avelao ao amizao

Tsy haiko intsony mantsy na
Fo na SAINA no mibaiko ahy
Manjary lasa anaonao foana
Nefa aho tsy sahy.
--------
Lien:
Catégorie : Alahelo
700 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : Harena Mijoro Noah
Inséré par : mijoro.nyntsoa
Date : 21/01/2020 22:58
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0109