Miverena (Harena Mijoro Noah)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Dada sy neny a!
Fiangaviana ny ahy raha mety
Aza miady aza mifandrafy fa tsy mety
Mbola be no lalana ho diavina
Fitsapana ireny fa aza lavina

Efa aman-taona maro ianareo no nivady
Fifandirana tsisy dikany lasa ady,
Ka mba tsinjovy ihany ny ho avinay
Fa tsy oe miady ianareo dia vita hatreo ny aminay

Dada sy Neny a!
Niady re tsy maintsy misy e
Fa raha mety aza atao hapisaraka na hapifanditra

Ianareo miady dia izahay voapotipotitra
Vao mivoaka ny trano dia tondron'olona molotra
Fa zanak'olona piady lava,
Ianareo hafakenatra fa izahay mahazo vava

Manaiky aho hoe mafy ny manjo
Fa ahoana ilay voady nifanekenareo roa
Fa na mora na @sarotra dia ho tia sy hifanaja
Zao ianareo miady tsy tana ilay voady

Dada sy neny a!
Ialako tsiny aho raha niteny
Fa tianay ianareo miaraka,
Izahay manana Ray sy Reny
Meteza mba ho fitaratra ho anay taranaka
Fa fifankatiavanareo lesona ho anay zanaka

Maro anie no maniry e mba te hanana Ray sy Reny
Fa izahay ve ho kamboty velon-Dray aman-Dreny?
--------
Rohy:
Sokajy : fananarana
691 0
Hevitra mandeha
raims randriamalala ( 21/01/2020 16:06)
tsy maintsy misy marina ve izany ny adin'ny mpivady? mafinaritra be ny tononkalonao


Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Harena Mijoro Noah
Nampiditra : mijoro.nyntsoa
Daty : 20/01/2020 16:59
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0109