Zaza kamboty (Harena Mijoro Noah)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
I dada maty novonoin'olona
I neny vao teraka tsy nitempo koa ny fony
Izaho sy zandry sisa no miady aminy fiainana
I dada sy Neny tsy eo intsony hitarainana

Zaza Kamboty tsisy piahy izahay
Fa na ny havana aza manary tsy mandray anay
Fa izahay zaza manabe olana
Manelingelina ny fiaraha-monina

Mangataka sy mitsindroka no hivelomanay
zaza tsy hafaka miasa no mbola votsa saina
zay azo no zaraina iarahana mihinana
Iny no anjara masoandro hifaliana

Nandroso ny andro,nitombo koa ny taona
Ny fiainanay tsy miova fa mbola eo foana
Ny olona miezaka mandrava izay hananana
Tsy tiany mihotra ny eo ampelantanany

Tsy kivy tsy ketraka fa mbola miady hatrany
Na dia lazaina olona fa tsisy fotony aza
Esoesoina fa olona mahantra
Opa sisa tsy nataony na dia nankahala fatratra

Hany fantatro tsy maintsy tafitako izahay
N'iza n'iza manindrona sy manokara anay
Isaorako azy ireny hirosoanay hatrany
Na maharary aza iafiana tsy natao ankarary

Ny teny toireny natao isaintsainana
Tsy hanomezako tsiny satria izy efa tongalafatra
Tsy fidiny ho anay mantsy toireny
Fa fiainana eto an-tany kodiaran-tsarety
--------
Rohy:
Sokajy : Alahelo
594 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Harena Mijoro Noah
Nampiditra : mijoro.nyntsoa
Daty : 07/02/2020 12:15
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0285