Ampitso mihamazava (Harifidy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ampitso mihamazava no any fa tsy lainga :
Lanitra tomaratra mamafy ranon’ando
Tsikirity mihira ny haingo an-tendron-kazo
Sasan-doharano zatra ireo tsikovoka
Tsikin-jazavavy an-tratran’ny olon-tiany
Tanimbary akipaky ny herim-pon-dehilahy

Sy tanan-jazakely faly miarahaba
Ary ankamantatra manambina ny ory !

RAMAROZATOVO Harifidy
13 septembre 2002
--------
Rohy:
Sokajy : fanantenana
863 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Harifidy
Nampiditra : Harifidy
Daty : 12/03/2014 05:50
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0141