VONINKAZO TSISY TSINY (Harifidy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
VONINKAZO TSISY TSINY


Voninkazo tsisy tsiny
Apetrako eny an-tratranao
Raha tsy ho tsiniko, azafady !

Fa eny an-tratranao no tiany
Hamosahana ny fony
Raha ny tiany ka tsy fady !

Fony mbola irery mantsy
Dia nangina ny fitiavako
Ahy irery tsy nizara !

Dia iny voninkazo iny
Tonga koa, te hivahiny
Hamoha ny tsikitsikinao

Voninkazo manan-tsiny !
Raha tsy mety re. . . lazao !

RAMAROZATOVO Harifidy
30 juillet 2002
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
863 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Harifidy
Nampiditra : Harifidy
Daty : 27/04/2014 16:15
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0142