Tsilon'ny raozy (Harifidy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSILON'NY RAOZY

Tsilon’ny raozy ve ?
Aleo tsy vinaniana ny ratra mety avelany
Raha mbola midorehitra ka manitra ny felany
Fa mety handoaka marina ka hampangirifiry
Saingy avy aminy ao ny foko no mitsiry ka…
Tsilo ve sa tsilon’ny raozy an-jaridaina?
Atolotro azy mihitsy ny tanako hosedraina
Fa aorian’izany dia manantena kosa
Hioty am-pahatoniana ny felany miavosa…

RAMAROZATOVO Harifidy
06 mai 2007
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1179 0
Hevitra mandeha
Nofy2 ( 28/04/2014 11:52)
mahafinaritra kel ny fomb fanoratrao tononkal
Harifidy ( 10/12/2014 12:47)
Efa hita eny amin'ny trano famoaham-boky ny boky misy ireo tonokalo ireo. Mazotoa mamaky dia misaotra betsaka
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Harifidy
Nampiditra : Harifidy
Daty : 21/03/2014 01:39
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0142