FIFIDIANANA (Harifidy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FIFIDIANANA

“Hanova ny fiainanao”
No tanjon’izy rehetra
Milatsaka hofidiana
Ka ianao ve tsy mba liana?

Hanoratra tantara
Ho manitra finiavana
Hisondrotra sy hivoatra
Sady hanamboatra
Ny tokantranonao
Ho mamy tsy hangidy
Ka ianao ve tsy hifidy ?

Tanteraho ny adidy
Fa ianao no hanapaka
Izay tetik’asa tsara
Tokony hirosoana
F’aza avela hoe
Mampanantena fotsiny
No ataon’izy ireny
Fa mifidy ianao
Vao to ny fandreseny !

Ary aza adino
Na iza no tsy mino
Fa tsy rehefa hoe
Voafantsy indray mandeha
Dia tsy hanolo-tanana
Izay kandidà havanana
Amin’ny fitantanana

Fa mbola ianao no antsoina
Hifidy ny filoha
Sady hanara-maso ny asany ihany koa

Fa tsy rehefa hoe
Voafantsy indray mandeha
Dia handevin-tsotrobe

Mifidy ianao dia ao
Ny valin’adinao!

RAMAROZATOVO Harifidy
--------
Rohy:
Sokajy : Politika - Tanindrazana
1182 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Harifidy
Nampiditra : harifidy
Daty : 14/10/2013 08:24
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0142