HIANDRY AN'IZA (Hary MDK)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Hiandry an'iza hiteny
vao hamboaraka ny ao ampo
lay fery marary
mandratra ny ambom-po.

Hiandry an'iza hanambara
zay vao saha amoaka didy
fa ireo teny zay nandratra
mbola hiafinao isaky ny minitra.

Hiandry an'iza hanoratra
vao sahy hivoalana ny zavamisy
fa tsy soritsoritina lava
atao mibaribary fa tsy ankolaka.

Hiandry an'iza ny foko
vao mba hitony ny fanaintainany
fa lay nandratra azy toa tsarony foana
tsy mety hadinony tsy mety foana
ilay fitiavany.
--------
Lien:
Catégorie : Fiainana
119 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : Hary MDK
Inséré par : 2004
Date : 03/11/2025 16:09
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0134