HALEMENA (Harydi)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
HALEMENA

Nanota aho androany
nanota taminao
sy ny fitiavantsika
nanosihosy anao
tao am-poko tao
tamin’ ny endrika sy bika
.... fa izy ilay nandalo
no nampientam-po
nahangoly ny fanahy
sy nampitodi-doha

Nakimpiko ny maso
navily ny fijery
tsy hitazana handinika
ny aminy manaitra
nefa toa vao mainka
nanara-jery hatrany
hatreny ankatakonany

Hifonako aminao
hifonako tokoa
nanota aho androany
tami-maso, ...
tao am-po

Toky no omeko
manomboka hatreto
fa izy ‘zay nandalo
tsy afaka hambabo
ny foko efa anao.


Harydi 12. 08. 03 - R01
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
900 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Harydi
Nampiditra : Harydi
Daty : 27/11/2014 08:10
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0131