TENIN-DRAZAKO (Harydi)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TENIN-DRAZAKO ....

Ho anao irery
ho anao ihany
ity tononkalo ity
tsy kanto tsara lahatra
na angola tsara tefy
entina manaingo
hitiavanao azy
....
Tononkalo tsotra
tsy mba manan-daza
aingam-bentsoventso
niserana ihany
Tonga tsy nantsoina
hitafana aminao
ka na hototofana aza
im- piton’ny mandifotra
dia mbola hosalorana
ny haja mendrika azy
...
Ianao ; ...
ry tenin-drazako
tokan’ny fitiavako
holalaina homamiana
tsy azoko ariana
ilay nahaizako nibada
niantso i Neny sy i Dada
ilay nahaizako namboraka
ny tao am-po adala
hany safononoka
omeko anao izao.


Harydi 25.01.05 - R27. 08. 01
--------
Rohy:
796 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Harydi
Nampiditra : Harydi
Daty : 06/06/2016 11:27
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0105